Nanafika Cash point : Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Jiolahy roa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy sabatra ary antsy avy nanafika Cash point no lavon’ny balan’ny polisy tao Antaravay Toliara, ny zoma teo. Naharay fitarainana ny polisy ao Antaravay miasa eo amin’ny sakana Antsokobory, ny zoma hariva, fa misy vehivavy iray tompona Cash point ao Anketa norobain’ny jiolahy telo niaraka tamin’ny basy sy antsy ary sabatra. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka raikitra ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy. nampitandrina azy ireo mba hijanona ny polisy saingy nitifitra avy hatrany ireo jiolahy. Nifamaliana ny tifitra ka lavo nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy roa raha tafaporitsaka kosa ny namany iray. Mbola hita teny amin’ireo jiolahy voatifitra ny basy vita tanana iray niaraka tamin’ny sabatra. Lasan’ilay jiolahy tafaporitsaka kosa ny vola mitentina 12 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny finday ary fitoeram-bola. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: