Olana sy famoizam-po: raim-piankaviana nananton-tena

Hita faty, nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny tohatry ny tranony ny lehilahy iray 26 taona, afakomaly. Voalazan’ny mpitsabo sy ny zandary teny an-toerana fa namono tena izy.

Lehilahy iray, monina ao amin’ny fokontany Iko­pakely, kaominina Am­banivohitra Ambohitrimanjaka no hita nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, afakomaly. Nahatsikaritra toe-javatra hafahafa ny tao an-tanàna ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina teny ifotony nizaha ny zava-nisy ny zandary sy ny mpitsabo. Noezahina ny nanavotra ilay raim-pianakaviana. Nampidinina teo amin’ny nahitana azy saingy efa tsy nisy aina intsony. Nanamafy ny famonoany tena ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Namaritra tamin’ny tendany ny fatoran-tady nanampitra ny ainy. Mangana tanteraka ny faritry ny molony. Tsy nahitana ratra kosa ny vatany.

Marihina fa tao ambanin’ ny tohatra, amin’ny trano fonenany ihany no nanaperany ny ainy.

Hanadihady
Amin’ny trangan-javatra tahaka itony. Tsy maintsy ma­no­katra fanadihadiana ny zandary na misy aza ny fa­nam­barana nataon’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2. Na­to­lotra ny fianakaviany izay monina ao anatin’io kaominina io ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io. Hatramin’izao, tsy vo­afaritra mazava ny antony nahatonga azy hamoy fo tahaka izao. Ny fianakaviana izay nanontaniana rahateo tsy nisy nahavaly izay zava-nisy marina.

Tsiferana R.

Partager sur: