Nihotsaka vokatry ny orambe ny tany nitaty ilay tetezana vonjimaika (pont modulaire), eo amin’ny PK 104+800 any amin’ny lalam-pirenena RN1, napetraka tany Antanetimboahangy Analavory, ny herinandro lasa teo. Tsy niandry ela, nidina tany an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny Vonjitaitra (DAU) ao minisiteran’ny Asa vaventy, ny sabotsy 20 janoary teo. Nohamafisina ilay tetezana sady novaina ny fidirana sy ny fivoahana (rampe d’accés) aminy. Naharitra ora maromaro ny asa natao, saingy efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny RN1, nanomboka omaly alahady 21 janoary.
Tsiahivina fa lasan’ny rano ny andry tamin’ilay tetezamby napetraka voalohany, ny herinandro lasa teo, nahatonga izao fahasimbana fanindroany izao. Vokatry ny orambe nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro teto amintsika, ny tapaky ny volana janoary kosa no nampihotsaka ny tany tamin’ny lalana tany an-toerana, ka nametrahana ilay tetezamby.
Njaka A.