Rotsakorana: tsy afa-bela ny faritr’ i Diana sy Sofia

Hitohy ao anatin’ny efatra andro ny rotsakorana matevina any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Ankoatra ny sisan-drahona tamin’ilay oram-baratra dia matanjaka ihany koa ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT) any amin’iny ilany avaratra andrefana iny.
Mila mitandrina fatratra, araka izany, ny mponina satria hitohy hikija ny orana. Efa hatramin’ny herinandro ny fihavian’ny orana any an-toerana ary mbola hitohy izany amin’ity herinandro ity.
Nahazo fampitandremana miloko mavo, amin’ny habetsahan’ny rotsakorana ny any amin’ny faritr’i Diana miitatra hatrany Mampikony sy Boriziny.
Amin’ny ankapobeny, orana tandrifin-drano no ho hita amin’ny faritra sasantsasany. Mbola hanjakan’ny masoandro kosa ny any atsimon’ny Nosy.
Ankilany, manomboka mihataka ny morontsiraka kosa ilay rahom-baratra nitondra rotsakorana teo aloha, ka hihena miandalana izany any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana.

Tatiana A

Partager sur: