Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy.
Nosantarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nambarany fa «mahantra ny Malagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana».
Mirefy 53 ha ny tany any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, hananganana tanàna vaovao, ka hanaovana tetikasa filamatra ny 23 ha. Ahitana faritra hananganana indostria, sekoly ary hopitaly mirefy 14 ha. Mirefy 20 ha kosa hamokaran’ny mponina, hambolena katsaka, tsaramaso, anana, … Tanjona ny hampidiran’ny isan-tokatrano vola 8 000 Ar hatramin’ny
10 000 Ar isan’andro.
Hampiofanina amin’ny fambolena sy fiompiana ny tantsaha. Omena velaran-tany 624 m2 isam-pianakaviana hamokarana. Omena trano fonenana, misy trano fivoahana sy fidiovana. Hizarana masomboly sy zana-kisoa. Miisa 86 ny tokantrano misitraka tany sy trano any Fieferamanga. Raisin’ny fanjakana ny vokatra.
Fepetra takina amin’izy ireo ny tsy maintsy ahavitana ny fiofanana hatramin’ny farany. Manam-pahaizana avy any Etazonia, Rwanda, Afrika Atsimo ary Zimbabwe no hampiofana azy ireo. Efa nahavita tetikasa toy izao tany aminy avy izy ireo, ary hampita izany eto amintsika. Miisa 100 ny ankohonana efa niofana tany Fieferamanga. Hisy fikambanana ONG frantsay hanao lavadrano hampiasain’ny mponina. Efa nanomboka 20 andro ny asa fanajariana ny toerana.
378 ha any Ambohimandry
Toerana faharoa ny any Tsimahabeomby, kaominina Ambohimandry, distrika Arivonimamo. Notsipihin’ny filoha Rajoelina fa hantsoina hoe Miarina ilay tanàna vaovao haorina any Tsimahabeomby. Mirefy 378 ha ny velarantany hohajariana any an-toerana, 12 km miala ny tetikasa Tanamasoandro.
Voakasik’ity tetikasa ity ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), ny ao amin’ny Mponina, ny Fanajariana ny tany, ny sekreteram-panjakana miahy ny Tanàna vaovao (SENVH), sns. Miisa 1 000 000 ny fianakaviana vinavinain’ny fanjakana hisitraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” manerana ny Nosy.
Njaka Andriantefiarinesy