Nisy fivoriana nataon’ny fiombonan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Toamasina, notarihin’ny prefet, ny 15 janoary, mahakasika ilay raharaha vary simba. Nanatrika tao koa ireo teratany vahiny, mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN) avy any ivelany, izay saika izy ireo no tena maro, 90%, miampy Malagasy mpandraharaha. Nampahatsiahivin’ny tonian’ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana, Toamasina, Vahiny Yves Sandro, fa mivadika ho fandikan-dalàna ny fahitana entana, sakafo fihinana, simba tonga ao amin’ny seranan-tsambo, ka tsy mampandre ny sampandraharahan’ny varotra, sady tsy mangataka fahazoan-dalana fitiliana. Sokajiana ho fikasana hanaparitaka sakafo fihinana tsy ara-dalàna izany, izay tokony hataon’ny Institut Pasteur ny fitiliana.
Nohazavain’ny tonian’ny fampanoavana, niaiky ireo teratany indo-pakistaney nanafatra ny vary avy any ivelany, fa tsy nangataka fahazoan-dalana ho fitiliana. Nilaza fa vonona hanaraka ny lalàna anefa izy ireo, manomboka izao. Napetraka, araka izany, ny rindrandamina amin’ny fanafarana vary sy entana PPN, mba tsy hisian’ny tranga toy izao intsony. Naato, araka izany, ny fanolorana ireo voarohirohy tokony hanaovana famotorana any amin’ny fitsarana. Tsiahivina fa milanja 83 taonina ny vary simba nodorana, ny herinandro lasa teo.
Sajo sy Njaka A.