Fandresena ho an’ny Malagasy maneran-tany! Noho ny fanohanana an’i Anisha Jo amin’ny lalany eo amin’ny mozika mantsy no nahazoany ny voalohany tao amin’ny sokajy “Projet coup de Coeur 2023”, nandritra ny “Africia Music Award”. Nifarana afakomaly ny fisafidianana tao amin’ny Instagram, izay nahazoany vato maherin’ny 80% tamin’ireo mpifidy.
Satria tetikasa no nifaninanana, ilay rakikiran’i Anisha Jo “Lumière”, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa no nahazoany izany. Avy hatrany dia nifofotra tamin’io tetikasa famoahana rakikira io izy, vantany vao nandresy tamin’ny fifaninanana “Star academy 2022”. Mora voarain’ny mpankafy ny vokatra, raha notarafina tamin’ny seho maro notontosainy tao Frantsa, ka tsikaritr’ireo mpikarakara ny “Africia Music Awards” izany.
Fifaninanana isan-tsokajy ho an’ireo izay heverin’ny mpanaraka ny gazety boky Africia, ny “Africia Music Awards”. Andiany faharoa ity tontosa ity, ka tamin’ny alalan’ny Instagram ihany ny fifidianana. Nahitana tarika sivy isan-tsokajy izay nisy sivy ihany koa, no nifaninana. Toa ny fifaninanana rehetra, misy tombony ho an’ny mpanakanto hatrany ny fahazoana ny laharana voalohany amin’izy itony.
Andrandrain’ny mpankafy aty an-tanindrazana kosa ny hitondran’i Anisha Jo ny “Lumière” sy ny fampisehoana amin’ity taona ity.
Zo ny Aina