Nanambara ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa tombanana hitohy hatrany ny rotsakorana betsaka (40 hatramin’ny 100mm ao anatin’ny 24 ora). Any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia ary ny tapany avaratr’i Sava no ahitana izany vokatry ny oram-baratra ateraky ny talio sy ny Zone de Convergence Inter-Tropicale (ZCIT). Mety ho voakasik’izany ihany koa ny afovoantany sy ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy manomboka rahampitso. Misy ny filazana fampitandremana fahabetsahan’ny rotsakorana, manomboka omaly ka hatramin’ny rahampitso. Miloko mena ho an’ny faritr’i Diana, ny distrikan’Analalava, Bealanana, Antsohihy, Boriziny ary Mampikony. Nanomboka omaly hatramin’ny anio kosa fampitandremana miloko maitso ho an’ny distrikan’i Mitsinjo, Marovoay ary Mahajanga I-II. Rahampitso, fampitandremana miloko maitso ho an’Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy. Manan-kery ny fampitandremana rahampitso sy ny alakamisy ho an’ny faritr’Analanjirofo, Sava, ny distrikan’i Tsaratanana, Andilamena ary Ambatondrazaka
Tsy hahakasika ilay rivodoza
Momba ny fiforonana rivodoza, andrasana ny fiforonana hatramin’izao ary arahi-maso ny tangoron-drahona ao avaratry ny Nosy rahavavy, ao amin’ny ranomasina Indianina. Tsy hahakasika an’i Madagasikara mivantana ny rivodoza fa mizotra mianatsimo ny diany aorian’ny fiforonany fa ny rahona entiny no mety hipaka aty Madagasikara ka hitondra orana betsaka nandefasana fampitandremana ho an’ny faritra maro.
Vonjy