Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste avancé Andralanitra (PPA), ny zoma teo, ireo dimy lahy voarohirohy manao asa fivarotana rongony amin’ny mpianatra. Maro ny fitarainana voarain’ny tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly ao Andralanitra noho ny fisian’ireo andian-jatovo mivarotra zava-mahadomelina manodidina ny toeram-pianarana. Nanamafy izany rahateo koa ny antso nataon’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Manoloana izany, misy hatrany ny fisafoana ataon’ny polisy miasa ao amin’ny PPA Andralanitra. Nahitam-bokany izany ny zoma teo satria nahatsikaritra mpianatra maromaro mandray zava-mahadomelina ny polisy tamin’io fotoana io. Rehefa nanontaniana ireto mpianatra ireto tamin’ny fomba nahazoan’izy ireo ny rongony dia tsy nisalasala nanondro ny toerana nividianany izany. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando ireo mpianatra fa teny Mahatsinjo sy Ikianja no nividianana ireto rongony ireto. Tonga teny an-toerana ny polisy nikaroka ireo mpamatsy ka dimy lahy mpivarotra zava-mahadomelina indray tratra tao an-trano. Lehilahy iray mbola nahitana fonosana rongony 78 niaraka tamin’ny selofanina lehibe roa. Nentina nanaovana famotorana avy hatrany ireto dimy lahy ireto.
J.C