Olona telo naratra vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Anjoma Fianarantsoa, omaly tamin’ny 7 ora sy 30 minitra maraina. Mpanao Cash point iray no niharan’ny fanafihana ka lasan’ireo mpanafika, tamin’izany, ny volabe teny aminy. Teo akaikin’ny toerana fivarotana akoho ao an-tsenan’Anjoma no nitranga ny fanafihana. Jiolahy telo (nanao arovava ny roa) niaraka tamin’ny basy sy antsy no naka an-keriny ny volabe tamina lehilahy iray vao avy nalaina tany amin’ny mpampiasa azy. Hamonjy ny toerana hiasany io raim-pianakaviana io no nifanehatra tamin’ireo jiolahy. Nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ny kitapo nisy ny vola saingy tsy nanaiky lembenana izy fa nanohitra. Rehefa hitan’ireo jiolahy fa nanohitra izy dia nanapoaka basy sady nanatsatok’antsy ry zalahy. Naratra ilay raim-pianakaviana sy ny vehivavy iray mpiara-miasa aminy. Lehilahy iray hafa nandalo koa no voalaza fa nandalovan’ny balan’ireo mpanafika. Nitsoaka tany akaikin’ny CSB 2 Anjoma ireo mpanafika ka efa nisy moto niandry azy ireo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe CHU Tambohobe Fianarantsoa ireo olona telo naratra. Voalazan’ny mpitsabo fa ny iray no tena voa mafy noho ny ratra nahazo azy.
J.C