Anisan’ny toerana ahitana ny BLB ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Menabe, Alaotra Mangoro. Misy ihany koa santionam-bokatra avy any amin’ny faritra Diana sy Anôsy voarain’ireo mpikaroka hotsirihina, hoy hatrany fanazavana. Notohizany fa mbola hisy ny fidinana ifotony atao any Marovoay hijerena ny voka-bary any an-toerana raha toa ka misy bakteria.
Mamely ny vary eo am-panirina ka hatramin’ny fiantombohan’ny salohy kosa ny BLS nandritra ny fitsirihana natao tao Ivory sy Morafeno tamin’ny taom-pambolem-bary 2019 sy 2020. Fisehon’ny soritraretina kosa ny fisian’ny tsipika lavalava toy ny etiety sy tantera-pahazavana miloko maitso ary miofo mavomena eo amin’ny ravina marary. Manambara ny famelezan’ny Xoc kosa ny fisian’ny tsiranoka marihitra. Na izany aza, azon’olombelona hanina tsara ny vary tratry ny aretina voalaza, noho izy tsy atahorana hiantraika amin’ny fahasalamana, araka ny fanazavana voaray.
Tsara kosa ny manova ny masomboly azon’ireo aretina hisorohana ny fahasimban’ny famokarana. Tsara diovina ihany koa ny mololo sy ny manodidina hialana amin’ny fiparitahan’ny bakteria.
Henintsoa H.