Atletisma-Ligin’Itasy : hanomboka ny “Cross-Country”

Nivoaka ny alahady lasa teo ny fandaharam-potoana, taom-pilalaovana 2023-2024, ho an’ny ligin’Itasy, taranja atletisma. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 24 febroary ho avy izao, any Analavory, ny fifaninanana rezionaly “Cross-Country”. Ny sokajy U16, U18, U20 sy Sénior no afaka mandray anjara amin’izany.
Hotontosaina manomboka ny volana avrily ny fifanintsanana seksiona any an-toerana. Ny 13 avrily ho avy izao no hanatontosaina ny “E-Tily an’Imamo”. Hatao ny 18 mey, ny “E-Tily an’i Mamolakazo”. Ny 7 septambra no hanaovana ny “E-Tily an’i Mandridrano. Tsara marihina fa ireo sokajy U16, U18 sy U20 ary Sénior ihany no hifanintsana amin’izany.
Hanomboka ny volana jona kosa ny fifanintsanana rezionaly eny amin’ny “piste”. Ho an’ny sokajy zandriny U16, U18, U20, hatao ny 22 jona, any Mandridrano, raha toa ka ny 29 jona, any Mamolakazo, ny sokajy rehetra. Hiatrika ny lalao rezionaly amin’ny “semi-marathon” kosa ny sokajy rehetra, ny volana oktobra, atao any Imamo.

F.R

Partager sur: