Tany mirefy 1 200 hektara, hiveloman’ny tantsaha an’arivony, kasain’olon-tokana hamidy amin’ny teratany vahiny ao amin’ny fokontany Antsambalahy, kaominina Tsarahasina, distrikan’i Boriziny, ny 9 janoary teo. Nohajarin’ny tantsaha arivo mahery nanomboka ny fanjanahan-tany anefa io tany io, araka ny fanazavan’izy ireo. Olon-tokana voalaza fa taranaka vazaha tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, araka izany, no voalaza ho mikasa haka sy hamarotra indray ny tany. Manoloana io tranga io, nivory ireo fokonolona rehetra misitraka asa fivelomana amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana amin’io tany io, ny faran’ny herinandro teo. Manohitra ny fibodoana ny tany ataon’io olon-tokana io izy ireo. Miankina amin’io tany hamokarany io avokoa ny fiharian’izy ireo ka antony handavany izany. Manoloana io raharaha io, miantso ny fitondram-panjakana mahefa ireo tantsaha ao an-toerana hijery akaiky ny zava-misy. Laharam-pahamehana ho azy ireo ny hisian’ny marimaritra iraisana ahafahany mivelona ara-dalàna. Manahy ny amin’ny hoavin’ny vady aman-janany rahateo ireo raim-pianakaviana voakasik’ity ady tany ity.
Tsiferana R.