Fahasembanana ara-batana : Razanapaly Tojo, niezaka ary hankalaza ny faha-10 taonan’ny orinasakeliny

Anisan’ny olona manana fahasembanana niezaka sy nioitra teo amin’ny fiainany Razanapaly Tojo Hajanirina. Antony nandrisika azy tamin’izany ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana nataon’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona.

Fanondroana ny olona manan-takaitra hatrany am-bohoka na azo taty aoriana ny atao hoe sembana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 97- 044 mahakasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. 154 255  ny isan’ ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara, raha ny antontan’isa navoakan’ny fanisana ankapobeny fahatelo momba ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH 3). Olona manana fahasembanana ara-tsaina avokoa ny 21% amin’izy ireo. Misy sokajy efatra ny fahasembanana. Araka ny antontan’isa nampitain’ny fikambanana tsy miankina Humanité et Inclusion, tsy hita maso ety ivelany avokoa ny 80%-n’ny trangana fahasembanana. Anisan’ny misedra izany, Razanapaly Tojo Ha­janirina, tovolahy 29 taona, monina etsy Talatamaty. Fa­hasembana ara-batana, in­drindra ny eo amin’ny ratsam-batana no mahazo azy. Zaza salama tsara sy tomombana ara-batana izy tany am-bohoka. “Nisedra olana teo am-piterahana azy aho ka antony niteraka ny fahasembanana teo amin’i Tojo”, hoy ny reniny, Razanapaly Haingo Nirina. Nandalo fotoan-tsarotra tamin’ny fitaizana sy ny fitsaboana azy ny ray aman-dreniny. Mba hanavotana sy hanasitranana azy. “Eo amin’ny vatany no misy tsy fahatomombanana fa salama tsara kosa ny sainy”, hoy hatrany ny reniny.

Tsy afaka nanala CEPE izy

Mandalo sedra maro eo amin’ny lafim-piainana samihafa, raha mitaha amin’ny olona tomombana ara-batana ny sembana. Raha ho an-dRazanapaly Tojo, nianatra tamin’ny sekoly tsy miankina iray teny Ambohibao izy teo amin’ny fahatelo taonany. Nandranto fianarana “maternelle” hatramin’ny kilasy fahafito (7eme) izy. Tsy afaka nanala CEPE izy noho ny sorany tsy mazava sy tsy nahazoana nitondra mpandika teny tamin’izany. Niato tsy nianatra taona iray izy taorian’izay. Niditra teny anivon’ny ivontoerana mandray ny an­kizy manana fahasembanana, tao amin’ny Akany sembana mijoro, izy nanomboka tamin’ny taona 2007. Nan­dranto fahalalana telo samihafa tao izy nanomboka teo. Teo ny fiofanana momba ny Pa­tisserie, Charcuterie, ary ny In­formatique. Taorian’ny fiofanana nataony eo anivon’ny akany. Nampihatra izany tao an-trano izy nanomboka ny taona 2013. “Tsapako sy hi­tako fa vitako ny asa amin’ny maha olona manana fahasembanana ny tenako”, hoy izy. Ankehitriny, mankalaza ny faha-10 taona nijoroan’izany izy. Ho marihina amin’ny rindran-kira ara-pilazantsara mai­maimpoana izany. Hatao ny faha-27 janoary, eny amin’ny News Para Ivato amin’ny 9 ora sasany maraina. Miasa eny amin’ny trano fisakafoana eo anivon’ny Akany sembana mijoro ihany koa izy. Misahana ny fitantanam-bola avy amin’ ny mpanjifa ny anjara asany amin’izany.

Nioitra noho ny fanilikilihana

Misedra olana amin’ny fivoaram-piainana ny olona manana fahasembanana, indrindra eto Madagasikara. Noho ny toe-batana mahazo azy, izay tsy tomombana tsara. Olana mahazo azy ireny ny fanilikilihana sy tsy firaharahan’ny fiarahamonina, raha ny zava-misy. Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa enta-mavesatra ho an’ny fianakaviana ny fisian’izy ireny ka antony mahatonga izany. Ho an-dRazanapaly Tojo manokana, niezaka teo amin’ny fiainany izy na dia teo aza ny fahasembanana nahazo azy. “Ataon’ny olona tsinontsinona ary niezaka mafy nampahafantatra ny mpiara-belona sy ny fiarahamonina fa toy ny olon-drehetra ihany ny sembana”, hoy izy. Nilaza izy fa manavakavaka sy manilikilika ny fiarahamonina fa miezaka manatona sy manazava aminy ny toerana misy anao ianao. Tsy manano sarotra ny olona ny mifandray aminao rehefa hainy ny toe-batana sy ny fiainanao. “Vao mainka ary izy ireo manohana sy manampy anao”, hoy izy nanazava.
“Aza miraviravy tanana, aza kivy, aza ketraka fa tsy maintsy mahavita zavatra raha mikiry ny olona iray. Indrindra ny olona manana saina sy tomombana ara-batana tsara”, hoy hatrany izy nanamafy. Nambarany fa tsy maintsy tojo amin’ny tanjona iriana rehefa atao am-pitiavana sy hikirizana ny zavatra iray. Hetahetany ny mba hijeren’ny fanjakana manokana ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Miezaka izy ireo manao ny vitany, fa olana ny tsy fahampian’ny enti-manana. Ankoatra izay, manentana ny fanjakana sy ny Malagasy rehetra izy ireo mba hanampy azy hivoatra amin’ny fiainana. Nohamafisiny hatrany fa mitovy amin’ny olon-drehetra ihany izy ireo na dia eo aza ny fahasembanana mahazo azy.

 

Nanatontosa : Mino

Partager sur: