FANTINA sy FINTINA

Nihaona ny faran’ny herinandro teo indray ny Vondron’ny kandidà. Tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’izy ireo. Na izany aza, voalaza fa tafiditra amin’ny fanohizana ny tolona hatrany izao fihaonana izao. Nandefa solontena ny kandidà sasany amin’izy 11 mianaka.

Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ireo loholona, omaly. Nitarika izany ny filohany, ny Jly Ravalomanana Richard. “Tany tan-dalàna isika ka tokony samy hanaja izany ny rehetra. Manomboka amin’ireo tomponandraiki-panjakana izany”, hoy izy.

Nodimandry ny sabotsy teo, Rakotomalala Henri na i “Riribe”. Nentina am-bavaka tao amin’ny FLM Ambatovinaky, ary nihazo any Toamasina, omaly hariva ny vatana mangatsiakany. Andrasana ao amin’ny Soavita ny razana, anio. Mpiara-dia mafana fo eo anivon’ny mpanohitra izy fony fahavelony.

Nosokafana omaly ny CSMA, ao Sabotsy-Namehana. Toeram-pitsaboana tsy anavahana. Misy ny “Médecine générale, dentisterie, maternité, pharmacie” ary toeram-pitsaboana faharoa natsangan’ny antoko izy io. “Mitohy ny asa sosialy”, hoy Andrianainarivelo Hajo.

Partager sur: