Mitohy hatrany ny asa sosialy ho fanampiana ny mpiara-monina. Namaly ny antso avo nataon’ ny pretra Herivonjilalaina Orthasie Marcellin, rektoran’ny seminera ao amin’ny St Francois de Sales, Analamazaotra Toamasina, ny antoko Hiaraka isika. Nitondra anjara biriky tamin’ny fitsofandrano ny andiany voalohany hivoaka ho diakra ny 4 febroary izao ity antoko tarihin’ny Jly Camille Vital ity. Nisolo tena ny filoha nasionaly tany an-toerana ny mpandrindram-paritra sady mpanolotsain’ny Tanàn’i Toamasina, i Tovoniaiko Arnauld Honoré, ka nanolotra vary 2 kitapo amin’ny 50 kg sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN), toy ny voamaina, menaka, savony… “Mitohy hatrany ny fanohanana ireo sahirana sy marefo amin’ny hetsika sosialy, efa fanaon’ny antoko ankoatra ny fanampiana ny sehatry ny fivavahana”, hoy ny avy amin’ ny Hiaraka isika.
Nanamafy izany ny eo anivon’ny rektoran’ny seminera fa anisan’ireo tsara sitrapo sy malala-tanana voalohany namaly ny antso nataon’izy ireo sy nitondra fanampiana ireo nanokan-tena ho mpanompon’Andriamanitra ity antoko tarihin’ny praiminisitra teo aloha ity.
Tsiahivina fa efa nitondra fanampiana (PPN) ho an’ireo tokantrano sahirana maherin’ny 200 avy amin’ny fokontany maromaro ao Toamasina, ny 31 desambra teo, ny antoko Hiaraka isika.
Sajo sy Synèse R.