Fikambanan-jiolahy Hobo: roa lahy tratran’ ny polisy

Tratran’ny polisin’ny Sut Toamasina ny lehilahy roa mpikambana ao amin’ilay fikambanan-jiolahy Hobo, afakomaly alina. Teny akaikin’ny kianja Mangarano izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy raha nanendaka sady nanao herisetra. Mirongatra ny fanendahana, manao ny ataony ireto jiolahy mivondrona ao anatin’io fikambanana io. Nandray ny andraikiny ny polisy nanao ny fikarohana ka fantatra ny toerana fieren’izy ireo sy fanaovany ny asa ratsiny. Nahitam-bokany izany satria roa lahy nifanehatra tamin’ny polisy nandritra ny fitsongoan-dia natao azy ireo. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa misy ifandraisany amin’ireo fikambanana ankizy maditra Clan Pyramide ihany koa ry zalahy ireto. Mitohy, araka izany, ny famongorana ireo fikambanan-jiolahy ao Toamasina. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotoran’ny polisy.

J.C

Partager sur: