Mbola ambany ny tahan’ny famokarana zana-trondro eto amintsika raha oharina amin’ny filàn’ny firenena. Tafakatra hatrany amin’ny 600 tapitrisa isan-taona izany ho an’i Madagasikara raha toa ka manodidina ny 40 tapitrisa eo no vokarintsika amin’izao.
Tonga tao Brickaville nijery ny ivontoerana famokarana zana-trondro (ecloserie) tilapia, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Napetraka, nandritra io fotoana io, ny ivontoerana famokarana zana-trondro (ecloserie) tilapia ao an-toerana mba hampitomboana ny vokatra sy hamaliana ny filàna tadiavina. Mirefy 1,5 ha ny dobo ary mamokatra trondro manodidina ny 10 tapitrisa isan-taona.
Ankoatra izay, nitsidika ny toerana hametrahana ny famokarana zana-trondro Tilapia na “ecloserie faharoa” an’ny orinasa Tilapia de l’Est tany an-toerana ihany koa ny minisitra. Mirefy 14 ha ny toerana ary hametrahana dobo 30 isa. Mitondra ny anarana “Ecloserie Maevasoa” ity ivontoerana ity ary manodidina ny 1 tapitrisa eo ny zana-trondro ao an-toerana. Vinavinaina hamokatra trondro hatrany amin’ny 15 tapitrisa ny orinasa, ho an’ny faritra atsinanana, amin’ity taona ity. Marihina fa miroborobo ao an-toerana ny famokarana trondro saingy olana ny famatsiana ara-tsakafo. Nitondra vahaolana mahakasika izany ny minisitera ka hijery ireo fepetra rehetra takina hahazoana vokatra tsara sy hampitomboana ny famokarana.
Tsiahivina fa mamelona tokantrano maro sy mampiasa fianakaviana betsaka ny jono ary kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena.
Henintsoa H.