Hanangana fotodrafitrasa maro toy ny trano fitehirizam-bokatra miisa efatra, fanamboaran-dalana any ambanivohitra mirefy 50km, fanarenana ny biraon’ny Fitantanam-paritry ny indostria ary fananganana tsena roa ho an’ny vokatry ny fiompiana PTASO. Ireo rehetra ireo no entina manatanteraka ny tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (PTASO) mandritra ny taona 2024. Nolaniana ihany koa ny tetibola (PTBA 2024) hanatanterahina ny tetikasa. Nivoitra izany nandritra ny fivorian’ny komity mpitantana ny tetikasa natao tao Toliara, ny alakamisy teo.
Nisy ny toromarika nomen’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana amin’ny hametrahana lamina ao anatin’ny 100 andro hitadiavana mpanosika matihanina (développeur) ho an’ny tetikasa “PTASO”. Nomarihina fa tokony hanomboka amin’ity taona ity ny asan’ io “développeur” io.
Tetikasa azo ampiharina manerana ny Nosy ny PTASO, noho izy mahakasika seha-pamokarana izay fototra iadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena.
Henintsoa H.