VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra amin’ny volana marsa ho avy izao ny tetezana vaovao eny Ambohimandroso amin’ny RN7, (PK 87). Mirefy 60 metatra. Mampiavaka azy ny azo ifanenan’ny fiara roa, raha lalan-tokana ilay teo aloha, izay niteraka loza nahafaty olona matetika. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola nanaovana azy.

Nivoaka ny 19 janoary teo ny andiany Tsara Joro, avy amin’ny sekolim-pirenena momba ny fizahantany sy ny hotely (INTH). Miisa 588 mianadahy izy ireo, nahazo ny diplaoma DESTH, ny licence professionnelle, ny M2. Nisy 62 mianadahy koa nahazo mari-pahalalana amin’ny lafiny fandrahoan-tsakafo.

Vonona hiara-kiasa amin’ny minisitera Minae ny fikambanana AZISPAM, ivondronan’ireo injeniera sy teknisiana amin’ny fiompiana sy ny vokatra azo aminy. Nihaona tamin’ny minisitra Ratohiarijaona Suzelin izy ireo, omaly. Tanjona ny hampiroborobo ny fiompiana sy ny vokatra, toy ny hena sy ny atody.

Partager sur: