Vokatry ny orambe : roa ny olona tsy hita

Faritra 10 (Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Diana, Fitovinany, Melaky, Menabe ary Sofia) no voakasiky ny orambe nanomboka ny 16 janoary teo, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. Roa ny olona tsy hita ka ny iray tao Toamasina II ary ny faharoa tao amin’ny distrikan’i Boriziny. Olona iray namoy ny ainy tao Maevatanàna. Efatra no naratra tao amin’ny distrikan’Ikongo. 5 421 ny traboina avy amin’ny tokantrano 1 393, 2 486 no nafindra toerana (tokantrano 603). Amin’izao fotoana izao, miisa 1 772 (tokantrano 447) no eny amin’ny toeram-pandraisana iraisana enina ary olona 709 hafa (tokantrano155) miantrano any amin’ny havany.
Teo amin’ny fotodrafitrasa, 1 309 ny trano dibo-drano, iray no samba ary 24 rava. Efitrano fianarana 14 simba amin’ny ampahany, efatra lasan’ny rivotra ny tafo ary roa rava tanteraka. 2 203 ha ny tanimbary feno rano raha 205 ha tototry ny fasika tanteraka.
Mbola ahina hitombo ny fahavoazana, satria nanambara ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa hitohy ny rotsakorana amin’ny faritra maro.

Vonjy

Partager sur: