Tsy mitsahatra mivoatra ny orinasa tranopirinty Niag. Dingana vaovao hiatrehany ny hoavy ny nahazoana ny mari-pamantarana ISO 9001-2015, mifanandrify amin’ny faha-75 taona niorenany.
Anisan’ny sangany eto Madagasikara ny orinasa Tranopirinty vaovao sy ny sehatry ny grafika (Niag). Nanangana azy ny taona 1949, Andriantsitohaina Charles. Tsy nitsahatra nivoatra ity orinasa malagasy ity, sady nanaraka ny fivoaran’ny teknolojia maoderina sy niomerika, ankehitriny. Natolotry ny Socotec, famantarana iraisam-pirenena any Frantsa azy, omaly, ny mari-pamantarana ISO 9001-2015, ho tambin’ny kalitaon’ny asa sy ny vokatra vitan’ny Niag. Singa iray manan-danja, hanamafisana ny fahatokisan’ny mpanjifa azy. Fizarana ny fifampitokisana amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa ary hery manosika sy mampavitrika ny mpiasa.
Nilaza ny adminisitratera jeneraly (AD) ny Niag, Rtoa Andriantsitohaina Lalaina, zafikelin’Andriantsitohaina Charles, fa «fotoana miavaka tokoa izao, satria hahatsiarovana ny lasa, sady ahitana ny hoavy mamiratra ihany koa. Tafahaona isika androany, mankalaza ity ISO 9001-2015 ity, hanombohana ihany koa ny faha-75 taona ny tranopirintintsika. Tsy faran’ny fisiantsika ity mari-pahalalana ity, fa fiantsoana ny rehetra hanohy ny ezaka. Vonona isika hiatrika ny fivoaran’ny toetrandro”.
Fanilo miampita
Niainga tamin’ny fitaovana tsotra, milina miisa dimy ny Niag ary anisany ny fanamboarana ny taratasy namonosana ny paraky. Nitombo sady nivoatra izany taty aoriana, ary nanomboka sy tena nihazakazaka ny taona 90 sy indrindra ny 2000. Ankehitriny, manaraka ny teknolojia avo lenta, niomerika ny orinasa, mahavita karazana pirinty marolafy.
Nandimby ny rainy Andriantsitohaina Charles, Andriantsitohaina Naina, sady nanangana ny vondrona Ultima-media, mamoaka ny gazety Taratra sy Les Nouvelles. Ary izao nampitainy tamin-dRtoa AD Andriantsitohaina Lalaina izao indray ny fanilo. Nitantana ny Niag nandritra ny 40 taona ny tale jeneraly teo aloha, Andrianainarivelo Razafy Bezo.
Njaka Andriantefiarinesy