FANTINA sy FINTINA

Hotanterahina ny 26 janoary izao, eny amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika, ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo. Entanina ny rehetra hamerina ny ala any amin’ny faritra misy azy avy. “Fambolen-kazo: Manarina tontolo, manatsara famokarana, mamela lova ho an’ny taranaka” no lohahevitra amin’izany.

Nitsidika ny tranoben’ny ORTM sy nihaona tamin’ireo mpiasa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin, omaly. Nambarany fa hatsaraina ny fitaovana ary hampitomboina ny sehatry ny fanabeazana sy ny kolontsaina ao amin’ny TVM/RNM.

Tsy midika ho baranahany ny fahalalahana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Noraisin’ny biraon’ny OJM tetsy Ambohidahy ny tenany, omaly. Nohamafisiny fa malalaka ny asa fanaovan-gazety.

Nanao ranolava ireo diplaomaty noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, hatramin’ny nandraisany ny toerany. Anisan’izany ny ambasadaoron’i Frantsa, i Alemana, Japon. Nialohavan’ny solontenan’ny papa Fransoa sy ny hafa izany…

Partager sur: