Hitondra fiovana goavana ny eny amin’ny sampandraharahan’ny haban-tseranana, mahakasika ny fanafarana na fanondranana entana any ivelany. Nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DGD), Lainkana Zafivanona, omaly, fa miisa 31 ny tetikasa entina hanavaozana ny fitantanana ao amin’ny ladoany, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF) maro iraisam-pirenena, maherin’ny 20, efa nanomboka ny taona 2019.
Raha ny akaiky indrindra, hotokanana any Toamasina, ny 25 janoary ho avy izao, ny fitaovam-pitiliana «scanner» ao anatin’ny tetikasa «Smart scanning». Isan’ny fampiasam-bola goavana, satria hampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy, ilay voambolana niomerika hoe «intelligence artificielle» (IA). Mampiavaka azy, hihena be ny fotoana hikarakarana ny mombamomba ny entana miditra na mivoaka rehetra eny amin’ny ladoany, ka tokony hihena koa ny vidin’entana.
«Ho voakarakara ao anatin’ny adiny 3 amin’ity scanner ity daholo ny 98%-n’ny antontam-baovao rehetra», hoy ihany ny DG-n’ny ladoany.
Njaka A.