Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 65% ny taham-piakaran’ny fahatongavan’ny mpizahatany ny taona 2023. “Efa manakaiky ny tamin’ny taona 2019, mialoha ny covid-19 ny antontanisa, noho ny ezaka nataon’ireo mpisehatra sy ny mpandraharaha samihafa ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany”, hoy ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM), Rakotomalala Lova. Miisa 222 848 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa raha toa ka 350 000 izany ny taona 2019. Vina ny hanatrarana ny 400 000 mpizahatany ho an’ity taona ity, raha toa ka tanjona napetraky ny fanjakana ny hanatrarana ny 1 tapitrisa mpizahatany ny taona 2028.
Mitaky fiovana goavana ny fanatsarana ny sehatry ny fizahantany. Ao ny fanamboarana ny fotodrafitrasa mfandraika amin’izany, toy ny lalana, ny fanatsarana ny fandriampahalemana, indrindra any amin’ireo toerana fandehanan’ny mpizahatany. Eo koa ny fampitomboana ny sidina nasionaly sy iraisam-pirenena ary ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany. Tsiahivina fa tafakatra 88% ny taham-pivoaran’ny fizahantany maneran-tany ny taona 2023, hoy ny OMT. Taha mitovy ny tamin’ny taona mialoha ny Covid-19.
Henintsoa Hani