Migadona indray ity ny andro malaza ho an’ny mpanao politika sy ny mpitady seza. Hiditra amin’ny filan-kevitry ny minisitra faharoa amin’ity taona ity ny governemanta. Toy ny mahazatra, misy ny fifampizarana avy amin’ny mpikambana sy ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny Repoblika. Tatitra momba izay herinandro voalohany nitsapana kianja izay. Fotoana hanasongadinana ny tena ihany koa, indrindra ho an’ireo tia sehoseho.
Tsy izay loatra no mampiavaka ny alarobia fa ity fandroahana sy fanoloana olona ity. Iza no nanampo tamin’ny filan-kevitra farany teo fa hisy governora telo be izao ho voatsipaka ambavafo ? Niampy ny talem-paritra vitsivitsy izay nandraingiraingy noho ny tampoka tsy naha lehilahy. Tsy hijanona hatreo anefa izay, tsy maintsy hitohy anio. Misy ny fanovana izay midika ho fanadiovana ny mpiara-miasa mba hiridana ny lamasinina, maika ho tonga eny an-tampon’ny fandrosoan’i Madagasikara.
Maro ny mitaintaina toa sahobakaka am-bodiriana. Miezaka ny manatsaratsara ny toerana tao anatin’ny herinandro. Nisy ny nanao serasera mafy dia mafy tamin’ny tambajotran-tserasera. Sitrany mampitombo ny herijika hahavoatazona amin’ny toerana. Tsy voatery ny rehetra anefa no hamerin-taona. Tsy maintsy misy ny isaorana mba hahafahana mametraka olona manana angovo vaovao indray.
Etsy ankilan’izay, efa maro ny mandry tsy lavo loha. Sasa-miandry ny fanendrena. Maromaro ny olona avy amin’ny faritra no mihazakazaka nankaty an-dRenivohitra. Nisy ny nanao ady sisika, mitady valimbabena. Misy ny nampanantsoina manokana noho ny traikefa hananany. Efa nilokaloka rahateo ny Filohan’ny Repoblika fa hahazo ny anjarany avokoa izay niasa sy nanohana azy, ka mahafeno ny fepetra maha matihanina azy ireny.
Hanamarika ny anio, ny fizarana ny « mofomamy » maromaro !
r.r