TARATRY ny KANTO

Mitohy ny tolo-tanana. Tontosa ny alatsinainy alina teo ilay fandidiana saro-pady natao tamin’i Mikakely. Efa nanomboka ary hitohy anio kosa ny hetsika ataon’ireo namany. Ny Jhix Mozik no hanafana ny Le Glacier, manomboka amin’ny 5 ora hariva. I Solo Andrianasolo no hitarika ny fotoana eny amin’ny M’Lam Manakambahiny manomboka amin’ny 7 ora alina.

“Mampitia teatra”. Hanomboka ny 10 febroary ho azy izao, amin’ny 9 ora maraina ilay fampiofanana teatra ho an’ ny ankizy 5 hatramin’ny 13 taona. Eny amin’ny Ramama Sakafo Tsimbazaza no hanatontosana izany, izay tarihin’i Tsiory Ravaloson, anisan’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Tropy Jeannette.

Hisy ny “Slam Session” anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, karakarain’ny Madagaslam section Tanà (MST), miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra sy ny fandraisana anjara. Ankoatra ny fampiroboroboana ity taranja ity, tanjona ny hanomezana sehatra ny vao misandratra.

Teo amin’ny laharana faha-10, amin’ny ekipa 12, no nisy an’i Madagasikara, nandritra ny “Coupe du monde de la Boulangerie » natao tany Paris, farany teo. Ny ekipa Frantsay no nahazo ny laharana voalohany tamin’izany, raha ny ekipan’ny Korea Atsimo no faharoa, ary ny ekipan’ny Chine no fahatelo.

Partager sur: