«Telma Coupe 2023» : ho fantatra anio izay hanao famaranana

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Ma­da­gasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny AS Fanalamanga Toamasina no hihaona amin’ny CFFA Andoharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra hifanandrina amin’ny Elgeco Plus Ana­la­man­ga. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana nataon’izy ireo. Ny AS Fanalamanga, nandresy ny ASA Diana, tamin’ ny isa 6 no ho 1. Lavon’ny CFFA tany amin’ ny fandakana «tirs au but» 3 no ho 1 ny Fosa Junior Boeny. Resin’ny Disciples FC, 1 no ho 0, ny Ajesaia Bongolava. Niondrika teo anatrehan’ny Elgeco Plus, 1 no ho 0, ny Mama FC Fianarantsoa. Tsy dia nihaona firy ny ekipan’ny CFFA sy ny AS Fanalamanga raha toa ka efa nifanandrina kosa ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC.
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus, ny lalao famaranana. Hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, «Coupe de la CAF», izay voahosotra tompondaka eo.

Fitia Randria

Partager sur: