Trafikam-bolamena : vono olona sy fanambakana!

7 taonina isan-taona ny volamena mivoaka antsokosoko eto Mada­ga­­si­kara. Tafaka­tra hatrany amin’ ny 250 miliara Ar ny vola vahiny tsy mi­verina. Any Du­baï no iafaran’ny entana na ny mandeha ara-dalàna na ny anaty varo-maizina. Mialoha izany, maro ny trangam-piarahamonina miafina tsisy sahy manatsikafona toy ny vono olona sy ny fanambakana.

Dingana iray lehibe no vitan’ny fitondram-panjakana tahirin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, izay nanamafy nandritra ny lahateny faran’ny taona 2023, fa tsy maintsy hatsangana ny fanadiovana sy fanodinana ny volamena eto an-toerana. Manamafy ny filazana nataony ny 19 jona, andro nanamarihana ny faha-50 ta­o­na nijoroan’ny Banky foiben’i Ma­dagasikara izany. Fanamby goavana nataony mba ho fa­na­tsarana ny lanjan’ny vola malagasy no ho fampitomboana ny vola vahiny miditra eto Ma­da­gasikara. “Madagasikara tsy maintsy mandroso”, izay no teny filamatra mandritra ny fo­toam-pitondrany. Midika izany fa mila vola izy hoenti-manatanteraka ny vina napetrany.
Fanapahan-kevitra hoenti-mamaha ny olana manodidina ny trafikam-bolamena izany. Raha ny fanadihadiana natao, very volamena manodidina ny 7 taonina isan-taona i Mada­gasikara. Entana miondrana antsokosoko ary tonga soa aman-tsara any amin’ny firenena mpividy volamena toa an’i Dubaï izany. Manamafy izay antontan’isa izay ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier. “Tafa­katra any amin’ny 10 taonina ny volamena mivoaka eto amintsika raha zohina avy amin’ny fanarahana any amin’ny firenena ivelany ahitana izany. Zara raha manondrana 2 na 3 taonina amin’ny tsena ara-dalàna i Madagasikara”, araka ny fanambarany hatrany.

389 miliara Ar very
Tranga iray tena nanaitra ny tamin’ny taona 2020, 938 kilao monja no voalaza naondrana tamin’ny fomba ofisialy, raha ny fanadihadiana natao teny amin’ ny fadin-tseranana. Raha ny hita any amin’ny firenena mpan­dray entana toy ny any Dubaï, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpandraharaha iray, mpijirika volamena, monina eny Ambohipo, mahatratra 2 na 3 t izany. 398 miliara Ar ny tombambidin’ny vola vahiny tsy niverina teto Madagasikara. Nilaza rahateo ny eo anivon’ny Sampandraharaha miady amin’ ny famotsiam-bola ao amin’ny tatitra natao ny 2020 fa 1 800 miliara Ar ny vola nanaovana fanadihadiana tamin’io fotoana io, ka misy ny ampahany mahakasika volamena. Niakatra avo telo heny rahateo ny vola nampiahiahy teo anelanelan’ny 2019 sy 2021. Marihina fa mpandraharaha 11 monja tamin’ ny 22 no nahazo fahazoan-dalana hanondrana no hita fa niasa tamin’io fotoana io.
2% monja
Amin’ny ankapobeny, sehatra iray tena anjakan’ny trafika ny volamena. Mbola anjakan’ny tsy fanarahan-dalàna ihany koa anefa amin’ny fampiverenana ny vidin’entana eto Mada­gasikara. Raha ny tatitry ny filankevitry ny ministra, ny volana febroary, taona 2022, nibaribary fa 2 % monja amin’ny mpandraharaha no nampiditra ny vola vahiny vidin’entana eto Madagasikara. Antontan-taratasy dimy no hany hitan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, ka 23 tapitrisa dolara sy 247 tapitrisa dolara ny vola tokony hiditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana saingy lasibatry ny trafika sy ny fanaovana hosoka ara-ketra.

Lasibatra voalohany amin’ ny fisian’ny trafika ny vahoaka malagasy satria vola tokony hoenti-miasa no manjavona lasan’olom-bitsy.

Maloto saingy ara-dalàna

Amin’ny ankapobeny, azo avy amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny volamena tonga eny amin’ny “patron” izay tsy mbola mpanondrana entana mankany ivelany. Rehefa feno ny filàn’ny tompom-bola dia misy mandray ny entana. Tsy mahazo manatitra izany any an-tranony na ireo olo-mahatoky aza. Ireo mpanondrana no mikarakara ny taratasy hamoahana izany any ivelany. Izy ireo izay misy manana taratasy ara-dalàna, na mampiasa ny an’ny sasany izay manana ny fahazoan-dalana. Ireo tompom-bola no mamorona ny taratasy rehetra ilain’ny fadintseranana hamoahana izany eny amin’ny seranam-piaramanidina. Karazan’ny efa voadio ny entana. “Manana tambajotra matanjaka anatin’ny fitondram-panjakana izy ireny. Misy ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, misy ny eny amin’ny fadintseranana, misy hatrany anatin’ny kaompaniam-pitaterana”, hoy ny fanazavana nomen’ny manamboninahitra ambony iray, niasa tao amin’ny Aviation Civile de Madagascar, izay anisan’ny nizarany traikefany teny Ivato. “Mazava ho azy fa entana misary ho voadio no tafavoaka eto Madagasikara. Tsy manana olana amin’ny varotra ihany koa ireto mpanondrana ireto satria rehefa madio ny taratasy dia tsy olana amin’ny vazaha izany”, hoy hatrany izy. “Tsy manadihady izay fomba nahazoana ny volamena, na dia nisy faty olona aza iny, ny mpividy. Rehefa feno ny taratasy nialany teto Madagasikara dia ampy izay”, hoy izy namarana ny resaka.
Marihina anefa fa ny ankamaroan’ny entana tafavoaka avy eto Madagasikara dia tsy misy mampidi-bola ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Sady tsy mandoa hetra izy ireo no tsy mamerim-bola vahiny. Manaporofo izany ny tranga farany niseho teny Ivato, ny 20 novambra 2023 nahatrarana vovo-bolamena 0,5 kilao. Nitondra taratasy nanamarina ny fividiana ny entana, fanambaran-ketra ireo mpanondrana antsokosoko. Voalaza fa hosoko anefa ny taratasy, izay efa fanaon’ ny mpanao trafika rahateo.

Sehatra anjakan’ny kolikoly

Ankoatra ny fomba fanaon’ny mpanondrana sy ny mpanangom-bokatra, anjakan’ny tsindrihazolena sy ny tranga tsy ara-dalàna koa eny ifotony. Ny samy madinika ihany koa no mifampitsetsitra sy mifanambaka. Vao eny amin’ ny fangadiana dia efa hita taratra izany. Raha ny tatitra farany azo avy eny amin’ny Birao manokana momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny Sam­pandraharam-pirenena momba ny volamena ( ANOR), zara raha misy 0,7 % amin’ny mpitrandraka volamena madinika no mba manana ilay karatra maha matihanina. Tsy maintsy mbola vidiana eny amin’ny ANOR anefa ny karatra, ka misy ampaham-bola azon’ny fokontany sy ny kaominina. Hatramin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana tany Be­tsi­aka, distrikan’Ambi­lobe sy tany amin’ny distri­kan’Ifa­na­dia­na, ny volana oktobra lasa teo, dia voalazan’ny mpangady vo­la­mena fa 30 000 Ar izany. Mbo­la nanamafy izay rahateo ny ben’ny Tanànan’i Betsiaka, Mandrara Louis Fer­nandy. Mialokaloka amin’ny maha mpitrandraka madinika ny mponina kanefa miteraka gaboraraka izany. “Efa misy ny ezaka ataon’ny tomponandraikitry ny fanjakana foibe sy ny eto anivon’ny kaominina amin’ny fampidirana ny mpitrandraka anatin’ny ara-dalàna, saingy mbola misy ny sakantsakana isan-karazany”, hoy hatrany ity olom-boafidy ity.

Mamoan-tsampona ny mpiray dina
Ankoatra ny lamina apetraky ny fanjakana, mipetraka ary manana ny anjara toerana ny Dina any amin’ny toeram-pitrandrahana. Rafitra napetraky ny mpitrandraka sy ny mponina ka nahazoana fankatoavana avy amin’ny fanjakana. Olana anefa, tsy nanaraka ny voarakitry ny lalàna ny mpitantana ny dina. Ho an’ny ao amin’ny kaominina Betsiaka, Ambilobe, tsy voahaja intsony ny fanovana ny mpitantana ny dina isan-taona. Andraikitry ny lehiben’ny distrika no manara-maso izay. Amin’ny ankapobeny, rafitra tsotra ny Dina kanefa mampitaraina ny mponina ny fomba fiasany indraindray. Tsy maintsy mandoa 10 000 Ar ny mpitrandraka tsirairay vao mahazo ilay antsoina hoe “Kahiem-patana”. Tahirin-kevitra tsy maintsy ilaina izay vao mahazo miditra eny amin’ny toeram-pitrandrahana. Mbola takina vola 30 000 Ar hatramin’ny 50 000 Ar ny mpikambana mba hampihodin-draharaha. Vola izay mampimenomenona ny mpitrandraka madinika, noho ny vokatra miankina amin’ny vintana fa tsy voatery mahazo avokoa. Anisan’ny tena mampikaikaika ny mpitrandraka madinika ihany koa ny famahana ny disadisan’ny samy tompom-patana. Raha misy ny olana dia tsy mandeha zandary na miakatra fitsarana avy hatrany. Tsy maintsy ny dina no mamaha izany. Matetika anefa, miangatra ny Komity mpitantana ny Dina (KMD). Misy ny mizana tsindrian’ila sy ny fijerena tavan’olona. “Indraindray izay manam-bola sy manam-pahefana no homen’ ny mpikambana amin’ny Dina ny rariny, na dia hita fa diso aza. Matetika anefa dia lasa mpikambana sy mpiray antoka amin’ilay mpangalatra fatana ny KMD”, hoy ny fitarainan’ny mponina. “Fositra ny fomba fampiharana ny Dina sy ny fitongilanan’ny KMD rehefa mamoaka didy amin’ny ady fatana.

“Izay manam-bola na ahazoan’ny mpikambana amin’ny KMD anjara amin’ny vokatra no ataony mandresy. Izany fihetsiky ny KMD izany anefa dia miteraka endrika kolikoly hafa ihany koa, lasa mijabaka amin’ny raharaha ny zandary, ny mpitsara ary ny karazana mpiasam-panjakana ambony isan-karazany. Ireo olona lasibatry ny fitongilanan’ny KMD no lasa mitady lalan-kafa mba handresy amin’ny ady izay hataony ihany koa. Eo anefa no tena mampisavoritaka, lasa misy andian’olona koa miforona ka manao fikaramana an’ady, milatsaka ho mpanera amin’ny mpitrandraka volamena misy olona sy ireny mpiasam-panjakana ireny ka maka vola sy mitsetsitra ny volan’ny mpitrandraka izay tsy mahalala na inona na inona amin’ny resaka taratasim-panjakana sy fitsarana izany”, hoy ny fanamafisana nataon’ny lehibe sektera, Jean Louis.

Tsy afa-bela ny mpiasam-panjakana

Ny zandary, ny mpiasan’ny fadintseranana, ny mpitsara, ny mpiasan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, eny fa hatramin’ny mpampianatra sy ny mpitsabo any ambanivohitra aza dia samy voatonontonona anatin’ny mpanao trafika. Ireo no voasokajy ho “trondro madinika”. Mpisehatra mivantana izy ireo saingy mpamita iraka ho an’ny “patron”. Misy ny mpamotsy amin’ny alalan’ny taratasy, misy indray ny mpanodina ny volamena maloto ho amin’ny sehatra ara-dalàna. Ny mpiasam-panjakana madinika any ambanivohitra indray matetika dia ataon’ny mpanangom-bokatra ho solontena sy mpanelanelana amin’ny mpitrandraka any ifotony.

Matetika dia miampita ta­na­na intelo aman’efatra ny vo­la­mena vao tonga any amin’ny mpanondrana na mandeha amin’ny tsena ara-dalàna na ny misafidy ny varo-maizina.

Matetika anefa mirona kokoa amin’ny varo-maizina tsy misy taratasy ny mpisehatra rehetra, manomboka amin’ ny mpangady, ny mpanelanelana ary ny olo-mahatokin’ny ‘patron”. Mihena ny vola mivoaka saingy betsaka ny tombombarotra. Manao maso mahita vola ny mpitrandraka madinika ka manao varoboba. Efa misy rahateo ny vidin’ny volamena apetraky ny mpanangom-bokatra. Tsy maintsy misy ny tian-kano sy tsy tian-kano amin’izay.

Ireny anefa no miteraka ny tsy fandriampahalemana lalina satria betsaka no mikotrika valifaty.

Nanatontosa : Riana Raymond

 

Partager sur: