TSELATRA

Vehivavy iray nandeha taxi-moto no lasibatry ny jiolahy teny Anosibe, omaly atoandro. Niainga avy eny Anosy handeha hody any Ampitatafika ity renim-pianakaviana ity no nandeha taxi-moto noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Teo Anosibe anefa, nosintonin’ny jiolahy ny poketra teny aminy. Lasa ny vola niaraka tamin’ny finday. Niezaka nitsoaka ihany ilay mpitondra moto fa tampoka ny fisian’ireo jiolahy.

Saron’ny polisy ao Marovoay, ny alatsinainy teo, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy vita tanana sy antsy. Ireo polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra azy ho hafahafa fihetsika ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany. Hita teny aminy ny fitaovam-piadiana niaraka tamin’ny antsy. Nilaza izy, nandritra ny famotoran azy, fa efa mpanao fanafihana ao an-toerana.

Partager sur: