Mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana eo amin’ny zaza, raha ny zava-misy eny anivon’ny hopitalin-jazakely sy eny amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina nanaovana fanadihadiana. Mahazo vahana indray, indrindra ny otrikaretina antsoina hoe “bronchiolite”.
Isan-taona sy amin’ny andro fahavaratra, manodidina ny 10 isan’andro eo ny zaza entina manatona toeram-pitsaboana. Ankehitriny, tafakatra avo sasaka izany ho an’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray etsy 67ha. Manodidina ny 20 isan’andro eo izany, raha ny tatitra voaray hatrany. Voan’ny aretina “bronchiolite” avokoa izy ireo. Zaza, latsaky ny telo volana hatramin’ny herintaona ny ankamaroany, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
Eo anelanelan’ny volana novambra sy avrily ny va nim-potoana tena mampirongatra izany, raha ny fanazavana. Izay mifanandrify indrindra amin’ny fahatongavan’ny aretin’ny taovam-pisefoana ankehitriny. Nahitana fitomboana, araka izany, ny tahan’ny zaza marary miditra hopitaly, indrindra ny eny amin’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra. “Tsy maintsy asiana “oxygène” ny zaza miditra hopitaly, satria ahitana fahasarotana ny aretina”, hoy ny profesora etsy anivon’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra, Rakotonandrasana Harimbola David.
Aretin’ny taovam-pisefoana mpiseho amin’ny zazamenavava sy mbola amam-bolana ny antsoina hoe “bronchiolite”. “Tery loatra ny lalan-drivotra eo aminy ka antony mahatonga izany”, hoy ny mpitsabo etsy 67ha, ny Dr Rakotonindrina Norbert. “Mitarika fahasemporan’ny zaza izany”, hoy kosa ny Profesora Rakotonandrasana Harimbola David. Miatomboka amin’ny kohaka sy sery mahazatra ny fisehoan’ny aretina. Lasa mihasahirana avy eo ny zaza rehefa miaina. Mitarika amin’ny fahasemporana mihitsy izany. “Misy karazana rehoka toy ny tampotsin’atody ao anaty izay manentsina ny lalan-drivotry ny zaza. Vokany, lasa manano sarotra ny fampidirana rivotra madio sy famoahana rivotra maloto eo amin’ny zaza”, hoy hatrany ny Dr Rakotonindrina Norbert. Nilaza izy fa tsy tafavoaka araka ny tokony ho izy ireo ka lasa mitarika any amin’ny fahasarotana.
Tsy fahazakana fofona sy hamandoana
Maro ny antony mahatonga ny aretina, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. “Eo ny tsy fahazakana toetr’andro miovaova, ny fofona isan-karazany, ny trano mihiboka… Antony tena mampihetsika ny aretina amin’ny ankapobeny ireo”, hoy hatrany ny Dr Rakotonindrina Norbert. Ilaina ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na ho an’ny zaza na ho an’ny ray aman-dreny mikarakara azy. Eo ihany koa ny fampiasana arovava orona, mba hisorohana ny fifindran’ny aretina. Tandremana ihany koa ny setro-tsigara, ny afon-kitay sy saribao… Entanina hanatona toeram-pitsaboana avy hatrany kosa raha vao misy tranga hafahafa miseho amin’ny zaza. Mba tsy hanano sarotra ny fitsaboana, raha ny fanazavana hatrany.
Mety hitarika aretina “pneumonie”
Toy ny aretina mpahazo ny olon-drehetra. Ahitana fahasarotany ny aretina na mety hahafaty mihitsy, raha sanatria tsy voatsabo ara-dalàna. Lasa “bronchiolite surinfecté” izany, indrindra ho an’ny zaza tsy ampy hery fiarovana, raha ny fanazavan’ny Dr Rakotonindrina Norbert hatrany. Nambarany fa amin’izay fotoana izay, lasa mikraoba fa tsy otrikaretina intsony ilay mitondra ny aretina. Mety hitarika amin’ny aretina hafa toy ny bronchite, pneumonie ary ny fivalanana izany.
Ankoatra izay, maro amin’ny ray aman-dreny no mihevitra fa folaka ny zaza, indrindra rehefa sempotra amin’ny alina. Ny hitondra ny zaza any amin’ny mpanotra avy hatrany ny ao an-tsaina, raha ny zava-misy. Nohazavain’ny mpitsabo hatrany fa tsy mba folaka ny zaza raha tsy tena loza goavana be no nahazo azy. Matetika rehefa mihasarotra sy efa miala aina ny zaza vao manatona mpitsabo izy ireo. Mihevitra ihany koa ny sasany fa tsy nodiovin’ny mpampiteraka ny zaza tamin’ny vao teraka, ka anton’ny aretina. Nohamafisin’ny mpitsabo hatrany fa tsy voatery hodiovina ny zazakely vao teraka. Misy antony manokana izy ireny vao diovina. Nambaran’ny mpitsabo hatrany fa maro amin’ny zaza tsy nodiovina no salama tsara ary tsy tratran’ny aretina. Amin’ny ankapobeny, tsy mahavoaka rehoka ny zaza fa manatelina, izay miteraka loko maitso amin’ny malotony izany.
Nanatontosa : Mino