“Can 2024” : hidona i Nigeria sy i Cameroun

Notsotsofina vao tafavoaka vondrona ny Lio­na tsy voafolak’i Ca­meroun, ny talata lasa teo, nandritra ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Fihao­nana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny fandreseny an’i Gambie, tamin’ny isa tery 3 no ho 2 no nahatafita an-dry zalahy. Ry zareo Gambianina no nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 hatramin’ny 85 mn nilalaovana saingy vitan’i Cameroun ny namadika ny isa, tao anatin’ny 5 mn monja.
Hidona amin’ny Voroma­herin’i Nigeria ny Liona eo amin’ny ampahavalon-dalana. Raha tsiahivina, inenina ni­hao­na ny roa tonta ka fandresena iray ho an’i Cameroun raha 3 ho an’i Nigeria. Ady sahala kosa ny 2.
Ankoatra izay, firenena iray goavana nihintsana i Al­gerie rehefa lavon’i Mau­ritanie tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0. Vahiny tsy ampoizina tafita amin’ny ampahavalon-dalana i Mauritanie, izay hifanandrina amin’i Cap-Vert. Ankoatra izay, hifanandrina ny samy gineanina dia i Guinée Equa­toriale sy i Guinée.
Efa nahazo ny tapakilany ihany koa i Senegal, i Angola, i Egypte ary i Burkina Faso. Tsiahivina fa miato ny lalao anio alakamisy sy rahampitso zoma. Hotontosaina manomboka ny sabotsy 27- talata 30 janoary, ireo lalao ampaha­valon-dalana miisa 8.

Tompondaka

Partager sur: