Fanadiovan-tsaina

 

Somary nitsahatra kely ny orana. Manomboka miakatra ny hafanana. Mbola miparitaka ny fako na efa manao izay ho afany aza ny mpanadio. Angaredona niady amin’ny loto no azo nilazana azy. Tena nanao rodobe hatramin’ny vazaha aza nanome kamiaobe Manomboka hita fa misinda tsikelikely ny tendrombohitra fako, nameno ny tanàna.
Miezaka sy manao izay ho afany ny tomponandraikitra. Tsy ampy iadiana amin’ny havoretrana ataon’ny sasany anefa izany. Tsy ny mpiasan’ny kaominina na ny kamiaobe miparitaka etsy sy eroa no hahavoavaha samirery ny olan’ny fako. Miainga avy amin’ny toe-tsaina tia madio sy mpanaraka toromarika izany.
Mibaribary toa vay an-kandrina ny an’ny sasany ny fitiavana miaina anaty loto. Toraka izany ny fanaovana izay danin’ny kibony. Manomboka amin’ny bitika indrindra ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy tahotra tsy henatra ny ankamaroan’ny mponin’Antananarivo ny manary fako ivelan’ny ora voatondro. Tsy vitan’izany, mbola atsipitsipy eny ivelan’ny dabam-pako.
Na inona na inona ezaka ataon’ny mpaka fako, mandrora mitsilany ny maro amin’ilay mponin’Antananarivo Renivohitra. Tsy arakaraka ny maha mazandoha azy anefa ny zava-misy, fa mora mimenomenona sy manome tsiny. Efa mipaka isan-tokantrano sy isam-batan’olona ny fahavoazana. Mirongatra ny aretina noho ny loto, indrindra ho an’ny zaza madinika.
Ny tena mahatsiravina, ny rano miaraka amin’ny « tay » mitsingevana noho ny fahatsentsenan’ny lakandrano. Miverina tsikelikely any an-trano ny loto avy amin’ny tavimandry natsipy tetsy sy teroa. Tena maharikoriko ny mahita olona manipitsipy ny malotony eny amin’ny arabe, vantany vao milentika ny masoandro.
Manoloana izany, sarotra ny hanadio tanàna raha tsy misy ny fanadiovana ny fanahy sy ny saina!

r.r

Partager sur: