Fisolokiana : lehilahy iray naiditra am-ponja

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maroantsetra, afakomaly, ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy ao an-toerana amin’ny afitsok’ity jiolahy mpisoloky ity. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ka nanao ny fanaraha-maso azy. Voamarina tokoa ny fisian’io jiolahy io. Nanao ny vela-pandrika hahafahana misambotra azy ny polisy ka noraisim-potsiny izy. Mbola hita teny aminy, nandritra ny fisamborana azy, ny karazana vato sarobidy izay entiny misoloky sy maka vola aman’olona. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa ao anatin’ny tambajotrana mpisoloky any amin’iny faritra iny. Anisan’ny mampikaikaika ny mponina ao Maroantsetra ny asa ratsiny. Amina tapitrisany ny vola efa azony, raha ny fanazavany hatrany. Misy mpiray tsikombakomba aminy saingy eo am-pikarohana ireo namany ny polisy ao an-toerana. Taorian’ny famotorana, natolotra ny fampanoavana afakomaly izy, ka naiditra am-ponja ao amin’ny fonjan’i Maroantsetra.

J.C

Partager sur: