Am-perinasa ireo rantsa-mangaikan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) eny amin’ ny minisitera amin’ny fampitahana ny naoty ao amin’ny CNtemad mialoha ny hamoahana ny valim-panadinana. Nanentana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny izy ireo mba hiandry am-pitoniana ny voka-panadinana.
Nametraka lamina ny CHU Fenoarivo, araka ny toromarika voarain’ny talen’ny hopitaly. Tsy maintsy miambozona “badge” avokoa ireo mpiasan’ny hopitaly ary apetraka isaky ny birao ny famantarana ny sampandraharaha, hanamorana ny torolalana ho an’ny marary. Hotanterahina koa ny fambolen-kazo ao amin’ny tokontanin’ny hopitaly.
Manana fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ny firenena marokana. Anisan’ izany ny Ivontoeram-panofanana arakasa ao Antsirabe izay novatsin’ny Mpanjakan’i Maroc, Sa Majesté Mohamed VI. Nandinika ny fanokafana ny ivontoerana ny minisitra tomponandraikitra sy ny masoivohon’i Maroc, Mohammed Benjilany, afakomaly.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, omaly. Fampianarana ho an’ny fandriampahalemana maharitra ny lohahevitra noraisina ho an’ity taona ity. Mbola misedra olana ny fanabeazana eto Madagasikara ary efa nisy ny lalàna vaovao nivoaka hanatsarana ny rafi-pampianarana sy ny fanofanana.