Masoivoho japoney : miisa 200 ny tetikasa notohanana

Nohavaozina sy nitarina ny EPP Andohatapenaka, ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Avy amin’ny famatsiana nomen’ny masoivoho japoney eto amintsika no nahazoana ny fotodrafitrasa. Mitentina 70 482 euros ny asa fanavaozana. Notanterahina ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tamin’ ny fiandohan’ny herinandro ny asa fanitarana.
Efa mpiray ombon’antoka maharitra ho an’ny EPP An­dohatapenaka ny masoivoho. Mbola izy ireo no nanohana ny fanatsarana ny EPP ny taona 2006 sy 2017, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Taorian’ny fanatsarana, afaka nandray mpianatra ha­tramin’ny 1 300 ny EPP.
Faritra be mponina An­dohatapenaka sy ny manodidina mampiasa ny EPP. Mitombo isan-taona ny ray aman-dreny mampiditra an-tsekoly ny zanany ka tsy naharaka ny efitrano. Hitombo ho 1 500 ny mpianatra horaisina ao amin’ny EPP noho ny fanitarana vita miaraka amin’ ny kalitao takin’ny vanim-potoana.
Fanampiana ny tetikasa madinika, hanatsarana ny fiahiana ny maha olona, ny fanohanana ny fotodrafitrasam-panabeazana miaraka amin’ ny masoivoho japoney eto amintsika. Fandaharanasa manampy mivantana ny ONG na vondron’olona ifotony na koa ny sekolim-panjakana amin’ny tetikasa.
Nanomboka ny taona 1989 no ho mankaty, 200 ny tetikasa mifototra amin’ny lafiny maro, indrindra ny fanabeazana sy ny fampianarana, notohanana teto Madagasi­kara, hoy ny masoivohon’i Japon miasa sy monina eto amintsika, i Abe Koji.

Vonjy

Partager sur: