Adin’ny samy ekipan’ny ligin’Analamanga ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Telma coupe de Madagascar”. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy.
Tontosa omaly alarobia, teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-pass, ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma coupe de Madagascar”, taranja baolina kitra. Tafavoaka ary hiatrika ny famaranana amin’izany ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus, izay samy avy amin’ny ligin’Analamanga avokoa.
Teo amin’ny fihaonana voalohany, lavon’ny CFFA tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny AS Fanalamanga. Niady ny fihaonan’ny roa tonta saingy nahay nanararaotra ny fitavozavozan’ny vodilaharan’ny ekipan’Alaotra Mangoro ny CFFA, tamin’ny alalan’i Bertho, nampiditra ny baolina tokana teo amin’ny minitra faha-71 rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i Rasta. Taorian’io, totoafo ny fanafihana nataon’ny AS Fanalamanga notarihin’i Besna sy i Eleffoni niampy an’i Gildas sy i Avotra fa tsara ny fiarovantenan’i Dadafara sy i Rova. Tsy nisy intsony ny baolina maty hatramin’ny fotoana farany.
Teo amin’ny lalao faharoa, efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ny Elgeco Plus, rehefa nandavo ny Disciples FC Vakinankaratra tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ihany koa. Baolina matin’i Zola, teo amin’ny minitra faha-111 taorian’ny daka nataon’i Jean-Yves ary niantefa teo amin’ny tongony izay nanilika fotsiny ny baolina tany anaty harato.
Niezaka namaly bontana avy eo ry Mandô sy ry Joma kely saingy tsara ny hiditranon’ny Elgeco Plus izay tsy nanao afa-tsy nanala ny baolina fotsiny sisa.
Hifandona eo amin’ny famaranana, ny alahady ho avy izao, eo amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny CFFA sy ny Elgeco Plus, tompon-jaridaina
Tompondaka