Misy ifandraisany ! Tsy latsaky ny 20 hatramin’ny 30 isa ny olona tonga manao fitarainana eny anivon’ny fokontany, zandary ary ny polisim-pirenena fa iharan’ny asan-jiolahy : fanendahana, vaky trano, sinto-mahery. Raha ny fanadihadiana natao, misy ampahany amin’ireo voafonja vao nahazo fanalefahan-tsazy farany teo ny sasany amin’ireo jiolahy manao ny asa ratsiny ao Toamasina. Vokany, nilatsaka ny baiko avy amin’ny talem-paritry ny Filaminana anatiny, faritra Atsinanana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, ho an’ireo sampana eo anivon’ny kaomisaria foibe tarihin’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. Nisy, araka izany, ny bemidina hatrany anaty lalampasika rehetra indrindra ny manodidina an’Ambolomadinika sy Ankirihiry. Nahitam-bokany izany satria jiolahy fito indray tratran’ny polisy. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa misy amin’ireo voafonja vao nivoaka, nisitraka ny fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena, ry zalahy ireto. Na eo aza anefa izany, mifanome tanana hatrany koa ny fiarahamonina amin’ny fanenjehana ireo jiolahy. Jiolahy iray hafa koa tratra namaky tranon’olona ka efa tafiditra tao an-trano saika hangalatra izy. Tazan’ireo mpifanolo-bodirindrina anefa ny nidirany tao an-trano ka niantso polisy avy hatrany izy ireo. Tratra teo am-pibatana entana izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy. Jiolahy efa mpamerin-keloka ity jiolahy ity, raha ny tatitra nampitain’ny polisy.
Sajo