Boky « Ilay Lolokely jejo »: Ho hita ao Afrika

Nisy ny fiaraha-miasan’ny trano famoaham-boky Ntsa­me, avy any Gabon sy ny Jeu­­nes malgaches, avy eto Ma­dagasikara, ny amin’ny fividianana ny zo mahakasika ilay boky novokarin’ny Jeunes malgaches, nampitondrainy ny lohateny hoe «Ilay Lolokely Jejo». Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny trano famoaham-boky, ankoatra ny tombony azon’ny mpanoratra ny boky, zava-dehibe ho antsika Malagasy izao fiaraha-miasa izao satria maro ireo fahasahiranana sedraina eo amin’ny fanondranana ny bokintsika ary afaka manome azy ireny ho an’ny ankizy afrikanina sy maneran-tany isika.
Vaovao tsara ho an’ny boky fanabeazana izao. Ny boky «Ilay Lolokely Jejo», izay tantara nosoratan’i Arikaomisa Randria. Razafindrainibe Max no niandraikitra ny fandravahana sary ary Rakotomanga Bruce no niandraikitra ny fandikan-teny. Boky natao hanabeazana ny ankizy manomboka eo amin’ny fahafito tao­nany ny “Ilay Lolokely Jejo”.

Lin

Partager sur: