Nifarana ny alarobia lasa teo ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika «Can 2023», atao any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary – 11 febroary.
Hotanterahina manomboka ny sabotsy ho avy izao ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Can Côte d’Ivoire 2023», taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny Eléphant Côte d’Ivoire, tompon-trano, sy ny Lion de Teranga Sénégal, tompondaka farany.
Fihaonana izay hatao ny alatsinainy 29 janoary ho avy izao, ao amin’ny kianjan’i Charles Konan Banny. Tsiahivina fa i Côte d’Ivoire, anisan’ireo firenena voasokajy ho laharana fahatelo tsara indrindra «meilleur 3ème» tao amin’ny vondrona «A». Nivoaka laharana voalohany tao amin’ny sokajy «C» i Sénégal. Tsara ny mampahafantatra fa fandresena tokana sy faharesena roa no azon-dry zareo ivorianina tamin’ireo lalao telo nataony, raha toa ka nahazo fahombiazana intelo ny senegaley tamin’ireo fihaonana notontosainy.
Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 izy ireo, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, ny taona 2017. Ankoatra izay, ho toy ny famaranana ihany koa ny fifanandrinana eo amin’i Nigeria sy i Cameroun, ny sabotsy ho avy izao. Tsiahivina fa hanomboka ny zoma 2 febroary ho avy izao ny lalao ampahefa-dalan’ny “Can 2023”.
Fitia Randria
27 janoary :
8 ora alina : Angola vs Namibie
11 ora alina : Nigeria vs Cameroun
28 janoary :
8 ora alina : Guinée Equatoriale vs Guinée
11 ora alina : Egypte vs RD Congo
29 janoary :
8 ora alina : Cap Vert vs Mauritanie
11 ora alina : Sénégal vs Côte d’Ivoire
30 janoary :
8 ora alina : Burkina Faso vs Mali
11 ora alina : Maroc vs Afrique du Sud