Hanana ivontoerana manokana misahana ny fandidiana fo, sokafana ho an’ny zaza, ny “Centre Hospitalier de Soavinandriana”, Cenhsoa, hanomboka ny volana avrily ho avy izao raha toa ka tsy misy ny fiovana. Hisitraka fitsabona sahaza azy ireo zaza manana aretim-po kanefa sahirana tsy manana fahahafana manao Evasan. “ Tontosa, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny “Chaine de l’Espoir” sy ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka io tetikasa io”, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Cenhsoa, ny Jly Ratovondrainy Willy, omaly. Marihina fa nitsidika manokana io hopitaly io sy ny hopitaly miaramila Ampahibe, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, omaly. Nifanakalo hevitra tamin’ireo tomponandraikitra anivon’ny hopitaly izy. Notsiahivina fa mila mitovy tantana ny fikarakarana ny marary rehetra eo anivon’ny hopitaly.
Tsiferana R.