Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy.
Mahazo fitarainana ny CUA amin’ny fampanofana antsokosoko ny tokotanin-tsekoly ho lasa fiantsonan’ny fiara, fampanofana efitranon-tsekoly anaovana hetsika fikambanana na fianakaviana hatramin’ny hetsika ara-pivavahana.
Sarotiny amin’ny fikojana ny fotodrafitrasa ny kaominina ary mitaky ny fanajana ny fifehezana azy ireny. Nanao tsindrim-peo, araka izany, ny CUA fa ny hetsika rehetra izay mahakasika ny fotodrafitrasa dia tsy maintsy fantatry ny kaominina avokoa na ny bitika indrindra aza.
Ny kaominina tokana ihany no afaka mandidy sy manapaka mahakasika ny fampiasana azy ireny ankoatra ny fampianarana ny zana-bahoaka.
Nampahatsiahivina ihany koa ny naoty izay milaza fa ny CUA irery ihany no mpitantana ny fotodrafitrasa rehetra ampiasaina eny amin’ny CEG sy ny Lycée eto an-dRenivohitra. Voakasik’izany ny fanavaozana, fametahana jiro, fanitarana…
Tatiana A