Manamafy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ao anatin’ny fandaharanasa ho an’ny fampindramam-bola nitarina (Fec), andiany fahefatra, fa hanatsara ny fampidiran-ketra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny fanavaozana ny lalàna mifehy azy. Ahafahana manao tetikasa maro, hananganana fotodrafitrasa sy tetikasa sosialy maro izany. Hampiakatra ny vola miditra amin’ny fanjakana ny famerenana ny fizarana fahazoan-dalan’ny harena an-
kibon’ny tany. Hampitombo ny vola miditra anatiny ny fanondranana volamena any ivelany. Manamafy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), fa hisarika ny mpampiasa vola vahiny ny lalàna vaovao izay vao nolaniana tamin’ny taona 2023 teo. Anisan’ny voakasik’izany ny sehatry ny fitrandrahana nikela, kobalta, ny grafita, ny lithium, ny manganezy, izay akora ilaina amin’ny fanamboarana bateria elektronika. Araka ny vinavinan’ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ ny tany, hitondra ny 14%-n’ny harinkarena faobe (PIB) eto amintsika ity sehatra ity amin’ ny taona 2025, raha 5% monja ankehitriny. Nilaza ny filohan’ ny Antenimieran’ny harena an-kibon’ny tany, Jean Luc Marquetoux, fa misy tetikasa roa lehibe manan-danja efa mandroso moramora izao.
Aminy, tsy fotoana hisalasalana intsony izao, fa tokony ho efa miasa avy hatrany. Satria miteraka asa sy fananganana fotodrafitrasa maro izany.
Njaka A.