Dingana iray fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ny rafitry ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) amin’ ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ity sehatra ity eto Madagasikara, nandritra ny fihaonan’ny roa tonta, omaly, tetsy Ambohidahy. Manam-pahaizana amin’ny fampandrosoana ny indostria ny rafitra. Hanampy ny MIC izy amin’ny fametrahana ireo mpanosika tetikasa matihanina (développeurs) hisahana ny fampandehanana ny taninketsa indostrialy sy ireo vala indostrialy. Noho izany, hiara-hiainga any Vienne, afaka andro vitsy, ny solontenan’ny ONUDI eto Madagasikara, Rakotondrazafy Volatiana, sy ny minisitra Razafindravahy Edgard hihaona amin’ireo développeurs ka hiroso amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra. Hotohizana ihany koa ny fametrahana ny taninketsa indostrialy 30 mahery eny amin’ ireo distrika tsy nisitraka izany, indrindra ny fampandehanana ireo indostria madinika efa voapetraka. Manohana ireo mpiara-miombon’antoka vonona hampandroso ireo mpandraharaha ara-indostria ny ONUDI. Hampiofana ireo mpandraharaha amin’ny fampandehanana ireo orinasa indostrialy madinika ihany koa ny rafitra.
Henintsoa Hani