Fandinihana ny PGE : hivory ny parlemanta

Hivory tsy ara-potoana ny eo anivon’ny parlemanta, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hanomboka ny alatsinainy izao izany ary tsy hihoatra ny 12 andro. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny hampahafantaran’ny governemanta eny anivon’ny Antenimiera roa tonta, ny programa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hodinihina amin’izany koa ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny fehezan-dalàna famaizana momba ny sazy omena ireo olona manao habibiana amin’ ny fanolanana. Manampy izany ny fandinihana ny volavolan-drijantenin-dalàna ma­nova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna tamin’ny 27 Septambra 2014 momba ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Hiverina hiaka-dapa indray izany ireo depiote sy loholona manomboka amin’ny herinandro.

Synèse R.

Partager sur: