Fanolanana : ho mafy ny sazy miandry

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amin’ ny fanolanana. Noraisina, araka izany, ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mahakasika ny fanolanana na fikasana hanolana.
Efa nanome toromarika rahateo ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hanamafisana izany sazy izany, indrindra ho an’ireo manolana amin’ny fomba feno habibiana amin’ny zaza latsaky ny 10 taona.
Ankoatra ny sazy famonjana, hisy koa ny sazy fanampiny, toy ny fanalana ny filàna ara-nofo ho an’ireo nahavita heloka amin’ny alalan’ny “castration chimique” na ny “castration chirurgicale”. Miankina amin’ny vesatry ny heloka vitan’ilay nahavanon-doza no hanatanterahana izany.

Mbola hatolotra hodinihina sy holanian’ny parlemanta ity volavolan-drijatenin-dalàna hatolotry ny governemanta mahakasika ny fanolanana ity.

Tatiana A

Partager sur: