FANTINA sy FINTINA

Nofoanan’ny filankevitry ny minisitra, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana, ny nanendrena ireo talem-paritry ny Fanajariana ny tany rehetra eny an­ivon’ny faritra. Nofoanana koa ny fanendrena ny tale jeneralin’ny Ivontoerana malagasy momba ny Teti-pivoarana (IMaTeP).
Fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny nanendrena ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana an-dRasoamiadanaVictorine. Tale mandrindra ny veliranon’ny filoha, Andriamasinoro Bangomalala ary talen’ny serasera, Rakotomalala Mercédès.
Tokony handeha mialoha ny fifidianana depiote, raha ny hevitry ny KMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa resabe ny fifidianana filoha teo. “Fihodinana faharoa izany ny fifidianana depiote… Izany no hamaritra ny maro anisa na ny mpanohitra na ny mpomba ny filoha”, hoy izy.
Handray anjara amin’ny fihaonana an-
tampon’ny Vondrona Afrikanina (UA) hatao any Addis Abeba, ny 17 sy 18 febroary izao, i Madagasikara. Hiatrika izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta ka hiompana amin’ny fanabeazana ny lohahevitra.

Partager sur: