Ny fitrandrahana sy fanomezana aina vao ireo hira natoritory tany ho any no tena nahafantarana ny tarika Baobab. Nitarika izany i Haingo Rabeson, ary maro ireo mpankafy no nanohana. Tsikaritra anefa fa anaty fihodinana any Eoropa miaraka amina mpihira sy mpitendry hafa, na dia mbola nitondra ny anaran’ny tarika aza, i Haingo. Mitondra ny fanazavana kosa izy.
Gazety Taratra (*): Rava ve ny tarika Baobab? Raha eny, azo fantarina ny antony? Raha tsia, nahoana no ianao sisa no hita anaty afisy tamin’ireo mpikambana nampahafantarina?
Haingo Rabeson (-): Niala tamin’ny tarika Baobab aho fa tsy miaraka amin’ireo mpikambana teo aloha intsony. Nisy ny tsy fitoviam-pijery amin’ny ekipa, ka nisafidy ny handeha manokana ny tenako. Izaho no namorona ny 90% ny maha tarika Baobab azy, saingy mpikambana hafa kosa no namorona ny anarana tany am-piandohana, tamin’ny 5 taona lasa.
Mba hahatongavana amin’izay hoe handeha irery izay dia hiova anarana ny tarika hoentiko aorian’ity fihodinana aty Eoropa ity.
* Nisy anefa ilay rakikira maromaro hoe havoakan’ny tarika Baobab, manahoana izany io tetikasa io?
– Efa nivoaka efa-bolana teo angamba izay ny vokatra voalohany. “Baobab chante Troupah” io, izay namerenanay hira 10 an’ny tarika Troupah. Ny Be Mozik! no namokatra azy ity, izay efa azo jifaina any anaty tambajotra any, mandra-piandry ny famoahana izany amin’ny fomba ofisialy.
* Hanohy hitrandraka ireo hira nataon’ny tarika Baobab ve i Haingo? Tsy manahirana amin’ireo tompon-jo na ny mpamoron-kira ve?
– Ny hira rehetra izay nataonay sy mbola hataonay dia nahazoako alalana avy amin’ny mpamorona na ny taranany avokoa. Mazava ho azy fa tsy miova amin’izay efa nosoritana tamin’ny tarika Baobab, fa hotazomina hatrany na dia hiova aza ny anarana. Araka izany, hanohy ny fitrandrahana sy fampahafantarana ireny hiran’ny taona 60, 70, 80, sns, ireny izahay. Hisokatra amin’ny tsena aty ivelany kokoa ary ho tena matihanina. Vao tonga avy aty amin’ny fihodinana ataonay aty izahay dia hampahafantatra ny anaran’ny tarika hoentiko, hisy ireo mpikambana handrafitra izany. Tiako marihina koa hoe efa anatin’ny fanomanana ny rakikira vaovao koa io tarika io.
Ankoatra izay anefa, izaho Haingo Rabeson koa sady mpamoron-kira ka hanomboka hivoy tsikelikely ny sanganasako manokana aho, amin’ny taona 2025.
Nangonin’i Zo ny Aina