Holafitra nasionaly  : «Hanenjika ny mpisandoka ho  infirmier manomboka izao»

Mampitandrina ireo toeram-pitsaboana tsy miankina mampiasa olona mitonona ho infirmier nefa tsy manana diplaoma ny holafitra satria hiroso amin’ny fanenjehana manomboka izao.

Nanao fivoriana voalohany ny mpikambana
amin’ny biraon’ny holafitra nasionalin’ny  infirmier  sy ireo biraom-paritra 23, teny amin’ny HJRA, omaly. Niko­rontana ny tontolon’ny asan’ny infirmier nandritra ny 15 taona farany ka tanjon’ny holafitra vaovao ny hamerina ny asan’ny izy ireo amin’ny laoniny. «Tafiditra amin’ny andraikitry ny mpikambana koa ny fanenjehana ireo mpisandoka sy manimba ny asa ary ho mafy ny fanaraha-maso», hoy ny filohan’ny holafitra, Andriana­rison Jean Aimé Botosera. Momba ny fisandohana ny asan’ ny infirmier, efa misy anarana fantatra amin’ny faritra roa, Betsiboka sy Boeny ka hidina ifotony hijery akaiky ny zava-misy ny holafitra. Hi­ton­dra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ihany koa. Havoaka ho fantatry ny vahoaka ireo olona mpisandoka ireo rehefa tratra.
17 800 ireo infirmier mpikambana ao anatin’ny holafitra raha 45 000 ny isan’ny infirmier manerana ny Nosy. Ireo rehetra nahavita fiofanana ary manana diplaoma dia tokony hisoratra ao anatin’ny lisitry ny holafitra vao afaka miasa. Homena fe-potoana roa volana ny infirmier rehetra manana diplaoma hiditra ho mpikambana ho mpikambana fa heverina ho mpisandoka ihany ireo tsy nisoratra anarana, araka ny fanamarihan’ny filohan’ny holafitra. Tsy ampy ny infirmier miasa amin’ny tontolon’ny fitsaboana, indrindra eny amin’ny asam-panjakana. Miangavy ny fanjakana handray infirmier, araka izay tratra, amin’ny “poste budgétaire” hanampy ireo efa am-perinasa. Infirmier iray misahana olona 8 000 eto Madagasikara nefa tokony ho olona 1 000 ihany no manaraka ny fenitry ny OMS.
“Nahazo fampitahorana ny birao vaovaon’ny holafitra fa mivatravatra loatra nefa tsy hihemotra amin’ny fanenjehana ny tsy ara-dalàna izahay”, hoy ny filohany.

Vonjy A.

Partager sur: