Nanatanteraka fanadihadiana isan-tokantrano teny Ankazomanga Avaratra, Andraharo, ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Institut pasteur ary ny Cirad, momba ny aretina haromontana. Hisy ny fanaovam-baksiny ireo alika sy saka eny amin’ny fokontany, afaka roa volana.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Mahakasika ny fampidirana ireo fitaovana “Iarh Kits GC” avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny mponina (Unfpa) izany.
Tombanana hitohy ny rotsakorana betsaka (40 hatramin’ny 80mm ao anatin’ny 24 ora) any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, hatramin’ny anio, vokatry ny oram-baratra ateraky ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT). Misy hatrany ny filazana fampitandremana.
Tokony hiainga avy amin’ny Holafitry ny infirmier ny famolavolana fandaharam-pampianarana eny amin’ny ivontoerana manofana ho infirmier eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny holafitra. Nambarany hatrany, fa tokony hifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika izany fa tsy adika avy amin’ny firenena frantsay